Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 32:29-35 Malagasy Bible (MG1865)

29. Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.

30. Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny asan'ny tànany, hoy Jehovah.

31. Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin'ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,

32. noho ny ratsy rehetra nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin'ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.

33. Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy - eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.

34. Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;

35. ary nanorina ny fitoerana avon'i Bala, izay ao amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 32