Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 31:3-6 Malagasy Bible (MG1865)

3. Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.

4. Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.

5. Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.

6. Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 31