Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 31:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.

2. Izao no lazain'i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an'ny Isiraely.

3. Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.

4. Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.

5. Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 31