Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 3:15-21 Malagasy Bible (MG1865)

15. Dia homeko mpitondra araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra anareo amin'ny fahalalana sy ny fahendrena.

16. Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.

17. Amin'izany andro izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.

18. Amin'izany andro izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ho any amin'ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

19. Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin'ny fanarahana Ahy.

20. Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin'ny lahy, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah.

21. Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan'ny Zanak'Isiraely; Fa nivilivily tamin'ny nalehany izy ary nanadino an'i Jehovah Andriamaniny.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 3