Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 3:1-9 Malagasy Bible (MG1865)

1. Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.

2. Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,

3. Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.

4. Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?

5. Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.

6. Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.

7. Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.

8. Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.

9. Ary tamin'ny fihorakorahan'ny fijangajangany no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin'ny vato sy ny hazo izy.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 3