Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 25:22-30 Malagasy Bible (MG1865)

22. ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny nosy any an-dafin'ny ranomasina;

23. ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,

24. ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;

25. ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,

26. ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay etỳ ambonin'ny tany; ary ny mpanjakan'i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.

27. Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.

28. Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.

29. Fa, indro, ao amin'ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

30. Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 25