Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 21:8-14 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana:

9. Izay mbola mitoetra eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.

10. Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo.

11. Ary henoy ny tenin'i Jehovah ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny.

12. Ry taranak'i Davida, izao no lazain'i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian'ny ataonareo.

13. Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?

14. Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Vakio ny toko manontolo Jeremia 21