Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Jeremia 2:6-21 Malagasy Bible (MG1865)

6. Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona?

7. Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.

8. Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.

9. Koa mbola hifandahatra aminareo Aho, hoy Jehovah, sy hiady amin'ny zafinareo koa.

10. Fa mità ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:

11. Moa nisy firenena efa nanova ny andriamaniny va? Nefa ireny dia tsy Andriamanitra akory. Fa ny oloko kosa efa nanakalo ny voninahiny tamin'ireny tsy mahasoa ireny.

12. Talanjona amin'izany ry lanitra! Ary matahora, ka mangorohoroa indrindra, ianareo! hoy Jehovah;

13. Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.

14. Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?

15. Hamely azy no ampieronan'ny liona tanora sy amoahany feo ka mahatonga ny taniny ho lao nodorana ny tanànany, ka tsy nisy mponina.

16. Ny mponina tao Memfisa sy Tapanesa aza efa nampangadihady ny tampon-dohanao.

17. Moa tsy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny andro nitondrany anao teny an-dalana va no nahatonga izany taminao?

18. Koa inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Egypta Hisotro ny ranon'i Sihora? Ary inona no anton'ny ankanesanao amin'ny lalana mankany Asyria hisotro ny rano amin'ny Ony?

19. Ny haratsianao no anafaizana anao, ary ny fihodinanao no ananarana anao; Koa fantaro sy hevero fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny tsy nisian'ny tahotrao Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

20. Fa hatramin'ny ela no efa nanapahanao ny zioga taminao sy efa nanitosanao ny fatoranao, ka hoy ianao: Tsy hety hanompo aho; Nefa teny amin'ny havoana andrandraina sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra no nandrianao nijangajanganao.

21. Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa?

Vakio ny toko manontolo Jeremia 2