Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 7:15-25 Malagasy Bible (MG1865)

15. Rehefa mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izy, Dia rononomandry sy tantely no ho fihinany.

16. Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara izany zaza izany, Dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.

17. Jehovah hahatonga aminao sy ny olonao ary ny mpianakavin-drainao Izay andro tsy mbola nisy toa azy Hatramin'ny andro nialan'i Efraima tamin'ny Joda (Dia ny mpanjakan'i Asyria);

18. Ary amin'izany andro izany Jehovah hisiaka hiantso ny lalitra, izay any amin'ny faran'ny onin'i Egypta, sy ny renitantely, izay any amin'ny tany Asyria;

19. Dia ho avy ireo, ka samy hipetraka amin'ny lohasaha lao, sy eny an-tsefatsefaky ny harambato, sy eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny saha fiandrasana rehetra.

20. Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.

21. Ary amin'izany andro izany Dia samy hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona;

22. Ary noho ny haben'ny ronono azo avy amin'ireo dia hihinana rononomandry izy; Fa rononomandry sy tantely no ho fihinan'ny olona sisa rehetra ao amin'ny tany.

23. Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.

24. Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.

25. Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.

Vakio ny toko manontolo Isaia 7