Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 66:5-19 Malagasy Bible (MG1865)

5. Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.

6. Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin'ny tempoly, Dia feon'i Jehovah izay mamaly ny ataon'ny fahavalony.

7. Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy.

8. Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.

9. Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.

10. Miaraha mifaly amin'i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy,

11. Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin'ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin'ny haben'ny voninahiny.

12. Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.

13. Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.

14. Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.

15. Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.

16. Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah.

17. Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.

18. Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.

19. Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilisa izy.

Vakio ny toko manontolo Isaia 66