Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 66:12-18 Malagasy Bible (MG1865)

12. Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika.

13. Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo.

14. Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.

15. Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.

16. Fa ny afo sy ny sabany no ho entin'i Jehovah hifandahatra amin'ny nofo rehetra; Ary ho maro ny voaringan'i Jehovah.

17. Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.

18. Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.

Vakio ny toko manontolo Isaia 66