Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 63:13-19 Malagasy Bible (MG1865)

13. Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan'ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?

14. Tahaka ny fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.

15. Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin'ny fonenan'ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin'ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.

16. Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.

17. Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin'ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.

18. Vetivety foana no nananan'ny olonao masina ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masina.

19. Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra,

Vakio ny toko manontolo Isaia 63