Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 61:7-11 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.

8. Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.

9. Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.

10. Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.

11. Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.

Vakio ny toko manontolo Isaia 61