Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 50:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay

5. Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.

6. Ny lamosiko natolotro ho amin'ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin'ny henatra sy ny rora.

7. Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.

8. Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.

9. Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin'ny kalalao izy.

10. Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny.

11. He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.

Vakio ny toko manontolo Isaia 50