Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 49:17-26 Malagasy Bible (MG1865)

17. Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.

18. Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon'ny ampakarina.

19. Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin'izany noho ny habetsahan'ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.

20. Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.

21. Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?

22. Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin'ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin'ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.

23. Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin'andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.

24. Azo alaina eny amin'ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?

25. Nefa izao no lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.

26. Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.

Vakio ny toko manontolo Isaia 49