Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 49:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako.

2. Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin'ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.

3. Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.

4. Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro.

5. Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),

6. Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.

7. Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.

Vakio ny toko manontolo Isaia 49