Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 45:1-14 Malagasy Bible (MG1865)

1. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:

2. Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;

3. Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.

4. Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.

5. Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,

6. Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,

7. Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.

8. Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin'izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.

9. Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?

10. Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao?

11. Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.

12. Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra.

13. Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

14. Izao no lazain'i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran'i Egypta sy ny tombom-barotr'i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.

Vakio ny toko manontolo Isaia 45