Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 37:4-18 Malagasy Bible (MG1865)

4. Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.

5. Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.

6. Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.

7. Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.

8. Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.

9. Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:

10. Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.

11. Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?

12. Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?

13. Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?

14. Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.

15. Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:

16. Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.

17. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona.

18. Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny

Vakio ny toko manontolo Isaia 37