Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 29:11-22 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;

12. Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.

13. Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,

14. Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.

15. Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?

16. Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?

17. Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?

18. Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.

19. Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,

20. Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,

21. Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana.

22. Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.

Vakio ny toko manontolo Isaia 29