Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 2:8-18 Malagasy Bible (MG1865)

8. Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;

9. Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!

10. Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.

11. Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.

12. Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,

13. Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana

14. Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina

15. Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra

16. Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;

17. Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.

18. Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.

Vakio ny toko manontolo Isaia 2