Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 17:1-10 Malagasy Bible (MG1865)

1. Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.

2. Efa lao ny tanànan'i Aroera ka ho an'ny andian'ny ondry aman'osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,

3. Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

4. Ary amin'izany andro izany dia hihena ny voninahitr'i Jakoba, ary hihena ny hataviny.

5. Ary ho tahaka ny fanangon'ny olona ny vary an-tahony amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon'ny olona salohim-bary eny amin'ny lohosahan'ny Refaita;

6. Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

7. Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely,

8. Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro.

9. Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.

10. Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;

Vakio ny toko manontolo Isaia 17