Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Isaia 15:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;

2. Miakatra ho ao amin'ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.

3. Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.

4. Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.

5. Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.

6. Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.

Vakio ny toko manontolo Isaia 15