Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 8:6-14 Malagasy Bible (MG1865)

6. Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.

7. Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.

8. Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.

9. Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny

10. Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.

11. Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.

12. Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.

13. Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.

14. Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.

Vakio ny toko manontolo Hosea 8