Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 4:1-6 Malagasy Bible (MG1865)

1. Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,

2. Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-drà.

3. Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.

4. Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.

5. Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.

6. Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.

Vakio ny toko manontolo Hosea 4