Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hosea 1:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely.

2. Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.

3. Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.

4. Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.

5. Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Hosea 1