Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hagay 1:4-11 Malagasy Bible (MG1865)

4. Moa andro tokony hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?

5. Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.

6. Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.

7. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.

8. Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.

9. Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.

10. Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan'ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny tany tsy hahavokatra.

11. Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin'izay rehetra efa nisasaran'ny tanana.

Vakio ny toko manontolo Hagay 1