Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Hagay 1:2-8 Malagasy Bible (MG1865)

2. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon'i Jehovah.

3. Dia tonga ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:

4. Moa andro tokony hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?

5. Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.

6. Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.

7. Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lalanareo.

8. Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.

Vakio ny toko manontolo Hagay 1