Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 9:6-11 Malagasy Bible (MG1865)

6. Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona.

7. Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny.

8. Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:

9. Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo

10. sy amin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.

11. Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 9