Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 9:12-23 Malagasy Bible (MG1865)

12. Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby:

13. Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany.

14. Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana,

15. dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan'aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.

16. Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan'aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany.

17. Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin'ny tany.

18. Ary ny zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain'i Kanana.

19. Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra.

20. Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.

21. Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy.

22. Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.

23. Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 9