Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 7:1-12 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary hoy Jehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara ianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao.

2. Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;

3. ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny.

4. Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin'ny tany.

5. Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy.

6. Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.

7. Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.

8. Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany,

9. dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa.

10. Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano.

11. Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra.

12. Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 7