Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 49:22-33 Malagasy Bible (MG1865)

22. JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.

23. Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;

24. Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,

25. Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.

26. Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.

27. BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.

28. Ireo rehetra ireo no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.

29. Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona Hetita,

30. ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.

31. Tao no nandevenany an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea,

32. ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta.

33. Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 49