Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 47:25-31 Malagasy Bible (MG1865)

25. Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao.

26. Dia nataon'i Josefa ho lalana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao.

27. Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.

28. Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.

29. Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.

30. Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin'ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.

31. Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny farafara Isiraely.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 47