Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 44:19-33 Malagasy Bible (MG1865)

19. Itompo­kolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?

20. Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.

21. Ary ianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.

22. Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.

23. Ary hoy ianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.

24. Ary rehefa tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy.

25. Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.

26. Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.

27. Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;

28. fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;

29. ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.

30. Koa ankehitriny, raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza),

31. koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin'ny mpanomponao rainay ho any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo.

32. Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra hiainako aho.

33. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 44