Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 44:11-27 Malagasy Bible (MG1865)

11. Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.

12. Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.

13. Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.

14. Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo anatrehany.

15. Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?

16. Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.

17. Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny rainareo.

18. Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao.

19. Itompo­kolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?

20. Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy.

21. Ary ianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko.

22. Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.

23. Ary hoy ianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.

24. Ary rehefa tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy.

25. Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.

26. Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.

27. Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;

Vakio ny toko manontolo Genesisy 44