Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 42:11-21 Malagasy Bible (MG1865)

11. Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.

12. Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo.

13. Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.

14. Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;

15. dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.

16. Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.

17. Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.

18. Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra:

19. Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo;

20. ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany.

21. Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 42