Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 41:9-16 Malagasy Bible (MG1865)

9. Dia niteny tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka ka nanao hoe: Tsaroako izao ny fahadisoako:

10. Farao dia tezitra tamin'ny mpanompony ka nanao ahy tao an-trano-maizina tao anatin'ny tranon'ny mpifehy ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo.

11. Ary nanonofy izahay indray alina, dia izaho sy izy; samy nanonofy araka ny hevitry ny nofinay avy izahay.

12. Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.

13. Ary samy tonga araka izay efa nolazainy taminay indrindra izany: izaho nampodiny ho ao amin'ilay nipetrahako, fa izy kosa nahantony.

14. Dia naniraka Farao ka nampaka an'i Josefa, dia nalaina faingana niala tao an­davaka izy; ary nanaratra ny volom-bavany sy niova fitafiana izy, dia nankany amin'i Farao.

15. Ary hoy Farao tamin'i Josefa : Nanonofy aho, koa tsy misy mahalaza ny heviny; ary izaho nahare fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.

16. Ary Josefa dia namaly an'i Farao ka nanao hoe: Tsy ahy izany; Andriamanitra no hilaza izay valiny hiadanan'i Farao.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 41