Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 41:23-36 Malagasy Bible (MG1865)

23. ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main'ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;

24. ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito vokatra. Ary nolazaiko tamin'ny ombiasy izany, nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko.

25. Ary hoy Josefa tamin'i Farao: Ny nofin'i Farao dia iray ihany; izay efa hataon'Andriamanitra no nambarany tamin'i Farao.

26. Ny ombivavy fito tsara tarehy dia fito taona; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia fito taona; iray ihany ny nofy.

27. Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main'ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena.

28. Izany dia ilay efa nolazaiko tamin'i Farao teo hoe: Izay efa hataon'Andriamanitra no asehony amin'i Farao.

29. Indro, hisy fito taona zina indrindra eran'ny tany Egypta rehetra;

30. ary manaraka izany kosa dia hisy fito taona mosarena, ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin'ny tany Egypta ary ho ritry ny mosary ny tany;

31. ary ny fahavokarana eo amin'ny tany tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany; fa ho mafy indrindra izany.

32. Ary naverina indroa ny nofin'i Farao, satria efa voatendrin'Andriamanitra izany zavatra izany ka hotanterahin'Andriamanitra faingana.

33. Koa ankehitriny aoka Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Egypta.

34. Aoka hanao izany Farao, ary aoka izy hanendry mpikarakara hitandrina ny tany sy hamory ny ampahadimin'ny vokatry ny tany Egypta amin'ny taon-jina fito.

35. Ary aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin'ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin'ny anaran'i Farao ho fihinana any amin'ny tanana maro, ka aoka hitahiry izany izy

36. Ary aoka izany hanina izany hotehirizina ao amin'ny tany ho amin'ny fito taona mosarena, izay ho tonga amin'ny tany Egypta, mba tsy ho simban'ny mosary ny tany.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 41