Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 40:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary taorian'izany ny mpitondra kapoakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony.

2. Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo.

3. Dia natao­ny tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa.

4. Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 40