Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 38:22-30 Malagasy Bible (MG1865)

22. Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.

23. Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.

24. Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.

25. Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.

26. Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.

27. Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.

28. Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.

29. Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.

30. Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia natao­ny hoe Zera no anarany.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 38