Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 37:21-36 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.

22. Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.

23. Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;

24. dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy rano tao.

25. Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.

26. Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?

27. Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.

28. Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.

29. Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.

30. Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?

31. Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony tamin'ny rà ny akanjo.

32. Dia nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia?

33. Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.

34. Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.

35. Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.

36. Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 37