Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 36:34-42 Malagasy Bible (MG1865)

34. Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita.

35. Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.

36. Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.

37. Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron'ny Ony.

38. Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.

39. Ary maty Bala-hanana, zanak'i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.

40. Ary izao no anaran'ny loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny

41. sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny

42. sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pireneny

Vakio ny toko manontolo Genesisy 36