Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 32:1-17 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany.

2. Ary Jakoba nizotra tamin'ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.

3. Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe Mahanaima.

4. Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma.

5. Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;

6. ary manana omby sy boriky sy ondry aman'osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.

7. Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.

8. Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry aman'osy sy ny omby ary ny rameva;

9. fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.

10. Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho;

11. tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.

12. O vonjeo aho amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy.

13. Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.

14. Dia nitoetra teo izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny,

15. dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo

16. ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.

17. Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 32