4. Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
5. Dia nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
6. Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
7. Dia nanan'anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
8. Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
9. Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa.
10. Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
11. Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
12. Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
13. Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
14. Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
15. Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.