35. Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny.
36. Ary nasiany lalankateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman'osin'i Labana sisa.
37. Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsorakazo.
38. Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.