Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 30:17-28 Malagasy Bible (MG1865)

17. Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba.

18. Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.

19. Dia nanan'anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.

20. Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.

21. Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.

22. Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan'anaka azy.

23. Ary nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.

24. Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.

25. Ary rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko.

26. Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.

27. Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy.

28. Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 30