Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 28:16-20 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.

17. Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.

18. Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.

19. Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha.

20. Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,

Vakio ny toko manontolo Genesisy 28