Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 27:24-33 Malagasy Bible (MG1865)

24. Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.

25. Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.

26. Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.

27. Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.

28. Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.

29. Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.

30. Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.

31. Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.

32. Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.

33. Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 27