Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 26:19-35 Malagasy Bible (MG1865)

19. Dia nihady teo amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo.

20. Ary niady tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran'ny lavaka fantsakana dia nataon'Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.

21. Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.

22. Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.

23. Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.

24. Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.

25. Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka.

26. Ary Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin'Isaka.

27. Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?

28. Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,

29. fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah.

30. Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.

31. Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.

32. Ary tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.

33. Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.

34. Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy.

35. Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 26