Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 24:35-43 Malagasy Bible (MG1865)

35. Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.

36. Ary rehefa antitra Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany.

37. Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina;

38. fa any amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny zanako.

39. Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.

40. Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.

41. Dia ho afaka amin'ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin'ny fampianianako anao koa ianao.

42. Ary tonga androany teo amin'ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,

43. indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe : Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho,

Vakio ny toko manontolo Genesisy 24