Testamenta Taloha

Testamenta Vaovao

Genesisy 21:27-34 Malagasy Bible (MG1865)

27. Ary Abrahama naka ondry aman'osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.

28. Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.

29. Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?

30. Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.

31. Izany no nanaovana io tany io hoe Beri-sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.

32. Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.

33. Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.

34. Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.

Vakio ny toko manontolo Genesisy 21